갈라디아서 1장 Baiboly Malagasy (1865)
바울서신 · Galatians · Baiboly Malagasy (1865) · 24절
📝 이 장의 개요 흐름·핵심 구절·인물 더 보기 →
바울이 갈라디아 교회들에 보낸 편지의 첫 장이다. 인사 뒤 곧바로 '다른 복음'으로 돌아선 교인들을 꾸짖고, 자신의 사도직과 복음이 사람이 아닌 예수 그리스도의 계시에서 왔음을 회심 이후의 행적으로 변호한다.
절 바로가기
1갈라디아서 · Baiboly Malagasy (1865)
1Paoly Apostoly ― tsy avy tamin’ olona, na tamin’ ny alalan’ olona, fa tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin’ ny maty ―
2mbamin’ ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny fiangonana atỳ Galatia:
3ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika,
4Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’ izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon’ Andriamanitra Raintsika;
5ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
6Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin’ izay efa niantso anareo tamin’ ny fahasoavan’ i Kristy ho amin’ ny filazantsara hafa,
7izay tsy filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran’ i Kristy.
8Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy. 해설
9Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy,
10Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin’ olona aho? Raha mbola mila sitraka amin’ olona aho, dia tsy mpanompon’ i Kristy.
11Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin’ ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon’ ny olona izany.
12Fa izaho tsy nandray azy tamin’ olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin’ ny fanambaran’ i Jesosy Kristy ihany.
13Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin’ ny fivavahan’ ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonan’ Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy;
14ary nandroso tamin’ ny fivavahan’ ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin’ ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra.
15Fa raha sitrak’ Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon’ ineny ny niantso ahy tamin’ ny fahasoavany, 해설
16ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin’ ny jentilisa, niaraka tamin’ izay dia tsy naka saina tamin’ ny nofo aman-drà aho,
17ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin’ izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray.
18Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an’ i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin’ ny folo andro.
19Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba, rahalahin’ ny Tompo.
20Ary izay zavatra soratako aminareo, indro, eo anatrehan’ Andriamanitra fa tsy mandainga aho.
21Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin’ ny tany Syria sy Kilikia aho;
22ary tsy mbola fantatry ny fiangonana any Jodia, izay ao amin’ i Kristy, ny tarehiko.
23Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny.
24Ary dia nankalazany an’ Andriamanitra aho.
Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.
본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.
이 장의 구절 해설 문서 2
이 장을 언급한 문서
- 요한계시록 22장 18-19절 성경 구절
- 예레미야 1장 5절 성경 구절
- 고린도전서 15장 10절 성경 구절
- 신명기 4장 2절 성경 구절
- 잠언 30장 5-6절 성경 구절
- 히브리서 2장 3-4절 성경 구절
- 고린도전서 16장 22절 성경 구절
- 갈라디아서 1장 8-9절 성경 구절
- 이사야 49장 6절 성경 구절
- 예레미야 1장 6-10절 성경 구절
- 이사야 49장 1절 성경 구절
- 시편 106편 30-31절 성경 구절
- 하나님의교회 세계복음선교협회 이단·사이비
- 갈라디아서 성경
- 야고보서 성경
- 소명 교리·신학
- 야고보 (주의 형제) 인물
- 바울의 회심 성경
- 열심당 성경
- 아멘 성경
- 사도 직분
- 장로들의 전통 성경
- 아라바 성경
- 갈라디아 성경
- 아나테마 성경
- 아레다 인물
- 마리아 평생 동정 교리·신학
- 길리기아 성경
- 아라비아 성경
- 유대 (지역) 성경
더 보기
글자 크기
바탕색과 글자색 (읽기 화면만)
글꼴
글자 두께
줄 간격
표시
읽어 주기 속도
읽어 주기