고린도전서 1장 Baiboly Malagasy (1865)
바울서신 · 1 Corinthians · Baiboly Malagasy (1865) · 31절
📝 이 장의 개요 흐름·핵심 구절·인물 더 보기 →
고린도전서 1장은 바울이 고린도 교회에 보낸 편지의 첫 장이다. 인사와 감사로 시작하여 교회 안의 분쟁을 꾸짖고, 세상의 지혜와 대비되는 십자가의 도를 말한다.
절 바로가기
1고린도전서 · Baiboly Malagasy (1865)
1Paoly, voantso ho Apostolin’ i Jesosy Kristy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, ary Sostena rahalahy,
2mamangy ny fiangonan’ Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin’ i Kristy Jesosy, olona voantso sady masìna, mbamin’ izay rehetra miantso ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin’ ny tany rehetra, dia azy sy antsika:
3ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
4Misaotra an’ Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan’ Andriamanitra izay nomena anareo ao amin’ i Kristy Jesosy,
5dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin’ ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra,
6araka ny niorenan’ ny filazana an’ i Kristy teo aminareo,
7ka dia tsy latsaka amin’ ny fanomezam-pahasoavana rehetra ianareo, miandry ny fisehoan’ i Jesosy Kristy Tompontsika, 해설
8Izay hampiorina anareo koa hatramin’ ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny ianareo amin’ ny andron’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
9Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin’ ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
10Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra. 해설
11Fa efa voalazan’ ny avy amin’ ny ankohonan’ i Kloa tamiko ny amin’ ny toetrareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo.
12Izao anefa no anaovako izany: Hianareo samy manao hoe: Izaho an’ i Paoly, na: Izaho an’ i Apolosy, na: Izaho an’ i Kefasy, na: Izaho an’ i Kristy.
13Voazarazara va Kristy? Paoly va no voahombo tamin’ ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho amin’ ny anaran’ i Paoly no nanaovam-batisa anareo?
14Misaotra an’ Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo afa-tsy Krispo sy Gaio,
15fandrao misy milaza fa efa natao batisa ho amin’ ny anarako ianareo.
16Nefa mba efa nanao batisa ny ankohonan’ i Stefanasy koa aho; afa-tsy ireo dia tsy hitako izay nataoko batisa.
17Fa Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa, fa hitory ny filazantsara, tsy tamin’ ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian’ i Kristy.
18Fa ny teny ny amin’ ny hazo fijaliana dia fahadalana amin’ izay ho very, fa herin’ Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena. 해설
19Fa voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren’ ny hendry, Ary holaviko ny fahalalan’ ny mahalala.
20Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’ izao tontolo izao? Tsy nampodin’ Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’ izao tontolo izao?
21Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren’ Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an’ Andriamanitra, ka dia ny fahadalan’ ny fitorian-teny no sitrak’ Andriamanitra hamonjeny izay mino;
23fa izahay kosa mitory an’ i Kristy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin’ ny Jiosy ary fahadalana amin’ ny jentilisa,
24fa amin’ izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa, dia Kristy, Izay herin’ Andriamanitra sy fahendren’ Andriamanitra.
25Fa ny fahadalan’ Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen’ Andriamanitra mahery noho ny olona.
26Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana;
27fa ny adala amin’ izao tontolo izao no nofidin’ Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’ izao tontolo izao no nofidin’ Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
28ary ny iva razana amin’ izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin’ Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy,
29mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan’ Andriamanitra.
30Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin’ i Kristy Jesosy, Izay nataon’ Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika,
31mba ho araka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany.
Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.
본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.
이 장의 구절 해설 문서 4
이 장을 언급한 문서
- 고린도전서 1장 18절 성경 구절
- 고린도전서 13장 8-10절 성경 구절
- 요한복음 17장 21절 성경 구절
- 사도행전 16장 31절 성경 구절
- 고린도전서 2장 2절 성경 구절
- 고린도전서 3장 16-17절 성경 구절
- 고린도전서 1장 7절 성경 구절
- 고린도후서 12장 7-10절 성경 구절
- 고린도후서 10장 3-5절 성경 구절
- 고린도후서 13장 13절 성경 구절
- 요한복음 17장 20-23절 성경 구절
- 에베소서 4장 3-6절 성경 구절
- 사도행전 16장 14-15절 성경 구절
- 사도행전 11장 14절 성경 구절
- 고린도전서 3장 6-7절 성경 구절
- 잠언 9장 10절 성경 구절
- 마태복음 12장 41절 성경 구절
- 고린도전서 3장 11절 성경 구절
- 성도 직분
- 유아세례 예배·예식
- 교파 조직·제도
- 교구 조직·제도
- 지교회 조직·제도
- 하나님의교회 세계복음선교협회 이단·사이비
- 고린도전서 성경
- 십자가 상징 예배·예식
- 십자가 교리·신학
- 초교파 교파
- 아볼로 인물
- 고린도 성경
더 보기
글자 크기
바탕색과 글자색 (읽기 화면만)
글꼴
글자 두께
줄 간격
표시
읽어 주기 속도
읽어 주기