로그인

고린도후서 1장 Baiboly Malagasy (1865)

바울서신 · 2 Corinthians · Baiboly Malagasy (1865) · 24절

절 보기

고린도후서 1장은 바울이 고린도 교회에 보내는 인사와, 환난 속에서 받는 하나님의 위로에 대한 찬송으로 시작한다. 이어서 고린도 방문 계획을 바꾼 일에 대해 해명한다.

절 바로가기

1고린도후서 · Baiboly Malagasy (1865)
1Paoly, Apostolin’ i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, ary Timoty rahalahy, mamangy ny fiangonan’ Andriamanitra izay any Korinto mbamin’ ny olona masìna rehetra eran’ i Akaia:
2ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
3Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra,
4Izay mampionona anay amin’ ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, anin’ ny fampiononana izay ampiononan’ Andriamanitra anay.
5Fa araka ny haben’ ny fijalian’ i Kristy mihatra aminay no haben’ ny fampiononana anay kosa amin’ ny alalan’ i Kristy.
6Ary raha ampahorina izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka miasa amin’ ny fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin’ izay entinay.
7Ary miorina tsara ny fanantenanay anareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa.
8Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’ ny fahoriana izay nanjo anay tany Asia, fa novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na dia ny ainay aza;
9eny, tsy nanampo izay ho velona intsony izahay, mba tsy hitokianay amin’ ny tenanay, fa amin’ Andriamanitra, Izay manangana ny maty ihany.
10Ary Izy no nahafaka anay tamin’ izao fahafatesana lehibe izao, ary mbola hanafaka ihany; eny, Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa,
11satria ianareo koa miara-miasa ho anay amin’ ny fivavahanareo mba hisaoran’ ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin’ ny nataon’ ny maro.
12Fa izao no ataonay ho voninahitray: ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin’ ny fahamasinana sy ny fahadiovam-po avy amin’ Andriamanitra, tsy tamin’ ny fahendren’ ny nofo, fa tamin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin’ izao tontolo izao, mainka fa teo aminareo.
13Fa tsy manoratra teny hafa aminareo izahay, afa-tsy izay vakinareo na izay fantatrareo; ary manantena aho fa mbola ho fantatrareo ihany hatramin’ ny farany aza,
14toy ny efa fantapantatrareo ihany fa voninahitrareo izahay, dia tahaka anareo kosa no voninahitray amin’ ny andron’ i Jesosy Tompontsika.
15Ary tamin’ izao fahatokiana izao dia nikasa hankatỳ aminareo aloha aho (mba hahazoanareo soa fanindroany),
16ary hankany Makedonia aho, raha avy atỳ aminareo, ary dia vao hiverina ho atỳ aminareo indray raha avy any Makedonia, ary mba haterinareo ho any Jodia.
17Koa raha nikasa izany aho, moa nanao kitoatoa va aho? Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va, mba hanaovako eny eny foana, sy tsia tsia foana?
18Fa raha mahatoky koa Andriamanitra, ny teninay taminareo dia tsy eny sy tsia;
19fa ny Zanak’ Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy eny sy tsia, fa ao aminy dia eny ihany.
20Fa na firy na firy ny teny fikasan’ Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin’ ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr’ Andriamanitra amin’ ny ataonay.
21Fa Izay mampitoetra anay mbaminareo ao amin’ i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitra,
22Izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika.
23Ary izaho miantso an’ Andriamanitra ho vavolombelona ny amin’ ny fanahiko, fa ny fialàko nenina aminareo ihany no tsy mbola nankanesako tatỳ Korinto.
24Kanefa tsy mihambo ho tompon’ ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no itoeranareo.

Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.

이 장에 24절
1 / 13장

본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.

이 장을 언급한 문서

더 보기