로그인

데살로니가후서 1장 Baiboly Malagasy (1865)

바울서신 · 2 Thessalonians · Baiboly Malagasy (1865) · 12절

절 보기

데살로니가후서 1장은 바울 일행이 박해 속에서 믿음과 사랑이 자라는 데살로니가 교회에 감사하는 장이다. 주 예수께서 나타나실 때 하나님이 공의롭게 심판하시고 성도에게 안식을 주신다는 내용과 그들을 위한 기도를 담고 있다.

절 바로가기

1데살로니가후서 · Baiboly Malagasy (1865)
1Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan’ ny Tesaloniana, izay ao amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo:
2ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
3Tsy maintsy misaotra an’ Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry rahalahy, fa mahamendrika isany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra,
4ka reharehan’ ny tenanay ianareo eny amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin’ ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo ―
5famantarana ny fitsarana marin’ Andriamanitra izany ― mba hatao ho miendrika ny fanjakan’ Andriamanitra ianareo, sady izany koa no iaretanareo
6fa zavatra marina amin’ Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo,
7ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin’ ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ ny anjelin’ ny heriny,
8amin’ ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’ Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’ i Jesosy Tompontsika,
9dia olona izay hiharan’ ny famaliana marina dia fahaverezana mandrakizay avy amin’ ny fanatrehan’ ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny,
10raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin’ ny olony masìna sy higagana eo amin’ izay rehetra mino amin izany andro izany, satria ninoana ny fanambaranay taminareo.
11Ary izany no angatahinay mandrakariva ny aminareo, mba hataon’ Andriamanitsika ho miendrika ny fiantsoana ianareo, ary hotanterahiny amin’ ny hery ny fankasitrahana tsara rehetra sy ny asan’ ny finoana,
12mba hankalazaina ao aminareo ny anaran’ i Jesosy Tompontsika, ary ianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan’ Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.

Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.

이 장에 12절
1 / 3장

본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.

이 장을 언급한 문서

더 보기