디도서 1장 Baiboly Malagasy (1865)
바울서신 · Titus · Baiboly Malagasy (1865) · 16절
📝 이 장의 개요 흐름·핵심 구절·인물 더 보기 →
디도서의 첫 장으로, 바울이 디도에게 인사하고 그레데 각 성에 장로를 세우는 기준과 거짓 교사를 엄히 꾸짖으라는 지침을 전하는 내용이다.
절 바로가기
1디도서 · Baiboly Malagasy (1865)
1Paoly, mpanompon’ Andriamanitra sy Apostolin’ i Jesosy Kristy hampandroso ny finoan’ ny olom-boafidin’ Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay manaraka ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra,
2amin’ ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’ Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola;
3fa tamin’ izay andro voatendry dia nasehony ny teniny tamin’ ny tori-teny izay natolotra ho adidiko, araka ny didin’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika;
4ho an’ i Titosy, tena zanako araka ny finoana iombonantsika, anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.
5Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona amin’ ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao; 해설
6raha misy tsy manan-tsiny, dia lehilahy manambady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin’ ny ratsy na ho maditra.
7Fa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an’ Andriamanitra, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo lian’ ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto,
8fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masìna, mahonom-po,
9mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin’ ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra.
10Fa maro no maditra, mpitaria foana sy mpamitaka, indrindra fa ny avy amin’ ny voafora ―
11tsy maintsy hotampenam-bava ireo ― izay mampivadika mpianakavy maro, fa mampianatra izay tsy mety, mba hahazoany harena maloto.
12Hoy ny anankiray amin’ ireny, izay mpaminany teo aminy: “Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda”.
13Marina izany vavolombelona izany. Ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin’ ny finoana,
14tsy mitandrina ny anganonganon’ ny Jiosy sy ny didin’ ny olona izay mivily miala amin’ ny fahamarinana.
15Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin’ ny olona madio; fa raha amin’ ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.
16Manaiky fa mahalala an’ Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.
Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.
본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.
이 장의 구절 해설 문서 1
이 장을 언급한 문서
더 보기
글자 크기
바탕색과 글자색 (읽기 화면만)
글꼴
글자 두께
줄 간격
표시
읽어 주기 속도
읽어 주기