디모데전서 1장 Baiboly Malagasy (1865)
바울서신 · 1 Timothy · Baiboly Malagasy (1865) · 20절
📝 이 장의 개요 흐름·핵심 구절·인물 더 보기 →
디모데전서의 첫 장. 바울이 에베소에 남은 디모데에게 다른 교훈을 막으라고 당부하고, 율법의 바른 용도와 자신이 받은 긍휼을 증언한 뒤 선한 싸움을 싸우라고 명한다.
절 바로가기
1디모데전서 · Baiboly Malagasy (1865)
1Paoly, Apostolin’ i Kristy Jesosy araka ny didin’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy Kristy Jesosy fanantenantsika,
2mamangy an’ i Timoty, tena zanako amin’ ny finoana: fahasoavana, famindram-po, fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
3Toy ny nangatahako anao hitoetra any Efesosy, rehefa hankany Makedonia aho, mba handidianao ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa,
4na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an’ Andriamanitra amin’ ny finoana, dia toy izany koa no ataoko ankehitriny.
5Fa ny anton’ ny didy dia fitiavana avy amin’ ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy,
6izay nivilian’ ny sasany, ka nania ho amin’ ny taria foana izy,
7dia olona izay te-ho mpampiana-dalàna, kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany.
8Nefa fantatsika fa tsara ny lalàna, raha entin’ ny olona araka izay antony,
9ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an’ Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masìna sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona, 해설
10ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema,
11araka ny filazantsaran’ ny voninahitr’ Andriamanitra finaritra, izay natolotra ho adidiko.
12Misaotra an’ i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin’ ny fanompoana,
13dia izaho, izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tamin’ ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana.
14Fa be indrindra ny fahasoavan’ ny Tompontsika tamin’ ny finoana sy ny fitiavana, izay ao amin’ i Kristy Jesosy.
15Mahatoky ka tokony hekena amin’ ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tetỳ ambonin’ ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ ireny izaho no lohany.
16Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon’ i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an’ izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay.
17Ary ho an’ ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an’ Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
18Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao ireo, mba ho entinao miady ny ady tsara ireo,
19amin’ ny itananao ny finoana sy ny fieritreretana tsara, izay efa narian’ ny sasany, ka toy ny olona vaky sambo izy ny amin’ ny finoana;
20naman’ ireny Hymeneo sy Aleksandro, izay natolotro ho an’ i Satana mba hofaizana tsy hiteny ratsy.
Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.
본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.
이 장의 구절 해설 문서 1
이 장을 언급한 문서
더 보기
글자 크기
바탕색과 글자색 (읽기 화면만)
글꼴
글자 두께
줄 간격
표시
읽어 주기 속도
읽어 주기