말라기 1장 Baiboly Malagasy (1865)
소선지서 · Malachi · Baiboly Malagasy (1865) · 14절
📝 이 장의 개요 흐름·핵심 구절·인물 더 보기 →
말라기서의 첫 장으로, 하나님이 야곱을 택하여 사랑했음을 밝히고 흠 있는 제물을 바치는 제사장들을 꾸짖으며 이방 민족 가운데서 그 이름이 높아질 것을 선포하는 내용이다.
절 바로가기
1말라기 · Baiboly Malagasy (1865)
1Teny faminaniana avy tamin’ i Jehovah nampitondrainy an’ i Malakia ho amin’ ny Isiraely.
2Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah; nefa hoy ianareo: Inona no nentinao nitia anay? Tsy rahalahin’ i Jakoba va Esao? hoy Jehovah; nefa Jakoba no tiako,
3fa Esao no halako, ka nataoko tany lao ny tendrombohiny, ary ny lovany natolotro ho an’ ny amboadia any an-efitra.
4Na dia hoy aza Edoma: Torotoro izahay, nefa mbola hamboarinay indray ny efa rava dia izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ireo dia hanamboatra, fa Izaho kosa handrava; ary dia hatao hoe tanin’ ny faharatsiana, dia firenena tezeran’ i Jehovah mandrakizay, ireo.
5Ary ny masonareo no hahita, ka dia hiteny ianareo hanao hoe: Jehovah dia lehibe any an-koatry ny tanin’ ny Isiraely.
6Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako, nefa manao hoe: Amin’ inona no anamavoanay ny anaranao?
7Amin’ ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin’ ny alitarako. Nefa ianareo manao hoe: Amin’ inona no andotoanay Anao? Amin’ ny fanaovanareo hoe: Ny latabatr’ i Jehovah dia fanazimbazimba.
8Ary raha jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra, tsy ratsy hoe izany! Ary raha mandringa sy marary no entinareo, tsy ratsy hoe izany! Atero ho an’ ny governora manapaka anao ange izany, moa hahazo sitraka na fitia aminy va ianao? hoy Jehovah Tompon’ ny maro.
9Koa masìna ianareo, andeha mifona amin’ Andriamanitra hamindrany fo amintsika fa ny tananareo no nahatonga izany, moa hankasitraka va Izy noho ny aminareo? hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
10Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny varavarana ka tsy handrehitra afo foana eo ambonin’ ny alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na ta-handray fanatitra amin’ ny tananareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
11Fa hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatramin’ ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin’ ny jentilisa, ary any amin’ ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanaterana fanatitra madio ho an’ ny anarako; fa lehibe any amin’ ny jentilisa ny anarako, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
12Fa ianareo kosa manamavo izany amin’ ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr’ i Jehovah, ary ny haniny aterina eo dia tsinontsinona.
13Hoy koa ianareo: Tsy mba hasasarana lahy! ary ikifonanareo izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; entinareo ny nalaina an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo ho fanatitra; moa ta-handray izany amin’ ny tenanareo va Aho? hoy Jehovah.
14Fa voaozona ny mpamitaka, izay manana ondrilahy ao amin’ ny ondriny, ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an’ ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin’ ny jentilisa.
Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.
본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.
이 장을 언급한 문서
더 보기
글자 크기
바탕색과 글자색 (읽기 화면만)
글꼴
글자 두께
줄 간격
표시
읽어 주기 속도
읽어 주기