미가 1장 Baiboly Malagasy (1865)
소선지서 · Micah · Baiboly Malagasy (1865) · 16절
📝 이 장의 개요 흐름·핵심 구절·인물 더 보기 →
미가서의 첫 장이다. 예언자 미가의 시대와 출신을 밝힌 뒤 여호와의 강림과 사마리아·예루살렘에 내릴 심판을 선포하고, 유다 서남부 고을들을 향한 애가로 끝난다.
절 바로가기
1미가 · Baiboly Malagasy (1865)
1Ny tenin’ i Jehovah izay tonga tamin’ i Morastita tamin’ ny andro nanjakan’ i Jotama sy Ahaza ary Hezetia, mpanjakan’ ny Joda, dia ilay hitany ny amin’ i Samaria sy Jerosalema.
2Samia mihaino ianareo, ry firenena rehetra; Atongilano ny sofinareo, ry tany sy izay zavatra rehetra eo aminy; Ary aoka Jehovah Tompo no ho vavolombelona hanameloka anareo, Dia Jehovah avy ao amin’ ny tempoliny masìna.
3Fa, indro, Jehovah mivoaka avy ao amin’ ny fitoerany Ary midìna ka mandia ny havoana amin’ ny tany.
4Miempo ao ambaniny ny tendrombohitra, Ary mivava ny lohasaha, Tahaka ny savoka taninin’ ny afo, Sy tahaka ny rano akorotsaka eny amin’ ny hantsana.
5Noho ny fahadisoan’ i Jakoba sy ny fahotan’ ny taranak’ Isiraely no isian’ izany rehetra izany. Iza no nahadiso an’ i Jakoba? Tsy Samaria va? Ary iza no fitoerana avon’ i Joda? Tsy Jerosalema va?
6Koa Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha Sy tany fambolem-boaloboka; Ary hakorotsako ho any an-dohasaha ny vatony, Ka haharihariko ny fanorenany.
7Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, Ary hodorana amin’ ny afo ny tanginy rehetra, Sady hofoanako ny sampiny rehetra; Tangin’ ny vehivavy janga no nanangonany ireny, Ary hody ho tangin’ ny vehivavy janga indray izy.
8Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako, Ka handeha sady horobaina no mitanjaka aho; Hikaonkaona toy ny amboadia aho Ary hikiakiaka toy ny ostritsa.
9Fa tsy azo sitranina ny ferin’ i Samaria; Fa mihatra amin’ i Joda izany, Ary mahatratra ny vavahadin’ ny oloko aza, dia any Jerosalema.
10Aza ambaranareo any Gata izany, Aza mitomany akory! Mihosinkosina vovoka ao Beti-le-afra aho.
11Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira; Tsy mivoaka ny mponina ao Zanana; Ny fisaonan’ i Beti-haezela no misakana anareo tsy hijanona ao.
12Fa malahelo ny soa ny mponina ao Marota, Satria loza no efa nidina avy tamin’ i Jehovah ho ao am-bavahadin’ i Jerosalema.
13Fehezo amin’ ny soavaly haingam-pandeha ny kalesy, ry mponina ao Lakisy; Niandohan’ ny fahotan’ i Ziona zanakavavy iny, Fa tao aminao no nahitana ny fahadisoan’ Isiraely.
14Koa izany no hanomezanao taratasy fisaorana ho an’ i Moresetagata; Ranotrambo ho an’ ny mpanjakan’ ny Isiraely ireo tranon’ i Akziba.
15Mbola hitondrako olon-kandova ianao. Ry mponina ao Maresa; Ho tonga hatrany Adolama aza ny voninahitr’ Isiraely.
16Miheteza sy mikakasa Noho ny zanakao nahafinaritra; Halehibiazo ny solanao ho toy ny an’ ny voltora, Fa lasan-ko babo niala taminao izy.
Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.
본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.
이 장을 언급한 문서
더 보기
글자 크기
바탕색과 글자색 (읽기 화면만)
글꼴
글자 두께
줄 간격
표시
읽어 주기 속도
읽어 주기