로그인

베드로전서 1장 Baiboly Malagasy (1865)

일반서신 · 1 Peter · Baiboly Malagasy (1865) · 25절

절 보기

베드로전서 1장은 편지의 첫 장이다. 흩어진 나그네 된 신자들에게 인사한 뒤, 부활로 얻은 산 소망과 시련 속의 기쁨을 말하고, 그리스도의 피로 구속된 사람답게 거룩하게 살며 서로 사랑하라고 권한다.

절 바로가기

1베드로전서 · Baiboly Malagasy (1865)
1Petera, Apostolin’ i Jesosy Kristy, mamangy ny mpivahiny monina any am-pielezana any Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia sy Bitynia, dia olom-boafidy 해설
2araka ny fahalalana rahateo, izay an’ Andriamanitra Ray, amin’ ny fanamasinan’ ny Fanahy, ho amin’ ny fanarahana sy ny famafazan’ ny ran’ i Jesosy Kristy: hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
3Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben’ ny famindram-pony ho amin’ ny fanantenana velona tamin’ ny nitsanganan’ i Jesosy Kristy tamin’ ny maty,
4ho amin’ ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,
5izay arovan’ ny herin’ Andriamanitra amin’ ny finoana ho amin’ ny famonjena efa vonona haseho any am-parany.
6Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany,
7mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin’ ny afo aza), dia amin’ ny hisehoan’ i Jesosy Kristy;
8Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin’ ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra,
9mandray ny anton’ ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.
10Ny amin’ izany famonjena izany dia notadiavin’ ny mpaminany sy nokatsahiny fatratra, dia ireo efa naminany ny fahasoavana ho anareo;
11eny, nokatsahiny izay andro na izay toetry ny andro notondroin’ ny Fanahin’ i Kristy ao anatiny, raha nambarany rahateo ny fijalian’ i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany.
12Ary naseho tamin’ ireo fa tsy ho azy, fa ho anareo no nanompoany ny amin’ izany zavatra izany, izay voalaza aminareo ankehitriny, tamin’ ny tenin’ ireo nitory ny filazantsara taminareo amin’ ny Fanahy Masìna, Izay nirahina avy tany an-danitra; izany zavatra izany dia tian’ ny anjely hodinihina.
13Koa amin’ izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin’ ny hisehoan’ i Jesosy Kristy;
14tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ ny tsi-fahalalanareo;
15fa araka ny fahamasinan’ ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masìna koa ianareo amin’ ny fitondran-tena rehetra,
16satria voasoratra hoe: “Ho masìna ianareo, satria masìna Aho”.
17Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’ olona, fa mitsara araka ny asan’ izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin’ ny fahatahorana mandritra ny andron’ ny fivahinianareo etỳ;
18fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin’ ny nentin-drazana, 해설
19fa ny rà soan’ i Kristy, toy ny ran’ ny zanak’ ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina;
20Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao, fa efa naseho tamin’ izao andro farany izao noho ny aminareo
21Izay mino an’ Andriamanitra amin’ ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin’ ny maty ka nanome voninahitra Azy,― mba hiorenan’ ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin’ Andriamanitra.
22Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin’ ny fanarahana ny fahamarinana ho amin’ ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin’ ny fo;
23fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin’ ny voa mety ho lò, fa tamin’ ny tsy mety ho lò, dia ny tenin’ Andriamanitra, izay velona sady maharitra. 해설
24Fa “ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny;
25Fa ny tenin’ ny Tompo maharitra mandrakizay”. Ary izany no tenin’ ny filazantsara izay notorina taminareo.

Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.

이 장에 25절
1 / 5장

본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.

이 장의 구절 해설 문서 3

이 장을 언급한 문서

더 보기