로그인

빌레몬서 1장 Baiboly Malagasy (1865)

바울서신 · Philemon · Baiboly Malagasy (1865) · 25절

절 보기

빌레몬서 1장은 한 장으로 된 빌레몬서 전체이다. 갇힌 바울이 빌레몬에게 오네시모를 종이 아니라 사랑받는 형제로 맞아 달라고 부탁하는 짧은 편지이다.

절 바로가기

1빌레몬서 · Baiboly Malagasy (1865)
1Paoly, mpifatotra an’ i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an’ i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay,
2ary mamangy an’ i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao:
3ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
4Misaotra an’ Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin’ ny fivavahako,
5satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ho an’ i Jesosy Tompo sy ho an’ ny olona masìna rehetra,
6mba hiasa mafy ho an’ i Kristy ny fiombonana avy amin’ ny finoanao amin’ ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo. 해설
7Fa nanana fifaliana sy fiononana amin’ ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon’ ny olona masìna, ry rahalahy.
8Koa na dia manana fahasahiana be ao amin’ i Kristy handidy anao amin’ izay mendrika aza aho,
9nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy sady mpifatotra an’ i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao.
10Eny, miangavy aminao aho ny amin’ ny zanako, izay naterako teto amin’ ny fifatorako, dia Onesimosy,
11ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia ianao sy izaho;
12izay nampodiko indray, dia ilay sombin’ ny aiko;
13saiky nohazoniko tatỳ amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin’ ny fifatorako noho ny filazantsara;
14nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin’ ny fanerena ny soa ataonao, fa amin’ ny sitrapo.
15Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay,
16tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin’ ny nofo, na amin’ ny Tompo.
17Koa raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy.
18Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany;
19izaho Paoly no manoratra izany amin’ ny tanako, izaho no handoa izany ― nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao.
20Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin’ ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin’ i Kristy.
21Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.
22Ary izao koa: Mba anamboary trano hitoerako aho; fa manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka ataonareo.
23Manao veloma anao Epafra, mpifatotra namako ao amin’ i Kristy Jesosy,
24sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko.
25Ho amin’ ny fanahinareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.

Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.

이 장에 25절
1 / 1장

본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.

이 장의 구절 해설 문서 1

이 장을 언급한 문서

더 보기