사도행전 1장 Baiboly Malagasy (1865)
역사 · Acts · Baiboly Malagasy (1865) · 26절
📝 이 장의 개요 흐름·핵심 구절·인물 더 보기 →
사도행전 1장은 부활한 예수가 사십 일 동안 제자들에게 나타나 성령을 약속하고 승천하는 장면, 그리고 제자들이 제비를 뽑아 가룟 유다의 자리에 맛디아를 세우는 장면을 담은 장이다.
절 바로가기
1사도행전 · Baiboly Malagasy (1865)
1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’ izay nataon’ i Jesosy sy nampianariny,
2hatramin’ ny andro nampiakarana Azy, rehefa nodidiany tamin’ ny Fanahy Masìna ny Apostoly izay nofidiny,
3sady niseho koa tamin’ ny famantarana maro taorian’ ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
4Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an’ i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan’ ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy; 해설
5fa Jaona nanao batisa tamin’ ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin’ ny Fanahy Masìna, rehefa afaka andro vitsivitsy.
6Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin’ izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ ny Isiraely?
7Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ ny Ray amin’ ny fahefany ihany. 해설
8Fa hahazo hery ianareo amin’ ny hilatsahan’ ny Fanahy Masìna aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’ i Jodia sy Samaria ary hatramin’ ny faran’ ny tany. 해설
9Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan’ ny masony intsony Izy.
10Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin’ ny nandehanan’ i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy,
11izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.
12Ary izy ireo niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin’ ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay akaikin’ i Jerosalema (araka izay mety haleha amin’ ny Sabata).
13Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, ― dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak’ i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak’ i Jakoba.
14Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin’ ny vehivavy sy Maria, renin’ i Jesosy, ary ny rahalahiny.
15Ary tamin’ izany andro izany dia nitsangana teo afovoan’ ny rahalahy Petera (tokony ho roa-polo amby zato no isan’ ny olona vory teo) ka nanao hoe:
16Ry rahalahy, tsy maintsy notanterahina ilay tenin’ ny Soratra Masìna nampilazain’ ny Fanahy Masìna rahateo an’ i Davida ny amin’ i Jodasy, izay tonga mpitarika ny olona nisambotra an’ i Jesosy;
17fa izy dia isantsika ihany ka nahazo anjara tamin’ izao fanompoana izao koa.
18Koa izany lehilahy izany dia nahazo saha tamin’ ny tambin’ ny fahotany; ary potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy.
19Ary fantatr’ izay rehetra monina eto Jerosalema izany, ka ny anaran’ izany saha izany amin’ ny fiteniny dia atao hoe Akeldama, izany hoe Sahan-drà.
20Fa voasoratra eo amin’ ny Bokin’ ny Salamo hoe: Aoka ho lao ny fonenany, Ary aoka tsy hisy olona honina ao; ary koa: Aoka ho lasan’ olon-kafa ny anjara-raharahany.
21Koa amin’ ireo lehilahy niaraka teto amintsika mandrakariva ireo, raha niditra sy nivoaka tamintsika Jesosy Tompo,
22hatramin’ ny batisan’ i Jaona ka hatramin’ ny andro nampiakarana Azy niala tamintsika, dia tokony hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon’ ny nitsanganany.
23Ary nanokana roa lahy izy, dia Josefa, atao hoe Barsabasy, izay atao hoe koa Josto, ary Matia.
24Dia nivavaka izy ka nanao hoe: Hianao, Tompo ô, Izay mahalala ny fon’ ny olona rehetra, asehoy izay nofidinao amin’ izy roa lahy ireto,
25mba hahazoany anjara amin’ izao fanompoana sy ny mah’ Apostoly izao, izay nialan’ i Jodasy hankanesany any amin’ ny fitoerany.
26Dia nanao filokana ho azy izy, ka latsaka tamin’ i Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan’ ny Apostoly iraika ambin’ ny folo lahy.
Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.
본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.
이 장의 구절 해설 문서 3
이 장을 언급한 문서
- 마가복음 16장 15-18절 성경 구절
- 요한복음 14장 12-14절 성경 구절
- 사도행전 2장 1-4절 성경 구절
- 마태복음 24장 36절 성경 구절
- 마태복음 28장 19-20절 성경 구절
- 고린도전서 12장 13절 성경 구절
- 골로새서 4장 2절 성경 구절
- 시편 90편 4절 성경 구절
- 사도행전 10장 44-46절 성경 구절
- 누가복음 24장 46-49절 성경 구절
- 마태복음 28장 18-20절 성경 구절
- 요한복음 15장 26-27절 성경 구절
- 사도행전 8장 32-35절 성경 구절
- 이사야 49장 6절 성경 구절
- 요한복음 20장 22절 성경 구절
- 마가복음 13장 32-33절 성경 구절
- 마가복음 13장 10절 성경 구절
- 사도행전 1장 7절 성경 구절
- 누가복음 24장 50-51절 성경 구절
- 열왕기하 2장 11절 성경 구절
- 선교사 직분
- 전도 신앙생활
- 선교 신앙생활
- 재림 교리·신학
- 성령세례 교리·신학
- 사도행전 성경
- 누가복음 성경
- 마리아 인물
- 열두 제자 인물
- 승천 교리·신학
더 보기
최근 읽은 곳
사도행전 28장
초성으로 성경찾기
구약 39권
신약 27권
← → 키나 본문을 옆으로 밀어도 앞뒤 장으로 넘어갑니다.
글자 크기
바탕색과 글자색 (읽기 화면만)
글꼴
글자 두께
줄 간격
표시
읽어 주기 속도
읽어 주기