사무엘하 1장 Baiboly Malagasy (1865)
역사서 · 2 Samuel · Baiboly Malagasy (1865) · 27절
📝 이 장의 개요 흐름·핵심 구절·인물 더 보기 →
사무엘하 1장은 다윗이 사울과 요나단의 죽음 소식을 듣고, 사울을 죽였다고 말한 아말렉 사람을 처형한 뒤, 두 사람을 애도하는 '활 노래'를 지어 부르는 장이다.
절 바로가기
1사무엘하 · Baiboly Malagasy (1865)
1Ary nony maty Saoly, ary niverina avy namono ny Amalekita Davida, dia nitoetra indroa andro tao Ziklaga izy.
2Ary tamin’ ny andro fahatelo, indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin’ ny miaramilan’ i Saoly, triatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; ary rehefa tonga teo amin’ i Davida izy, dia niankohoka tamin’ ny tany ka nitsaoka.
3Ary hoy Davida taminy: Avy taiza moa ianao? Dia hoy izy taminy: Afaka nandositra avy tany amin’ ny tobin’ ny Isiraely aho.
4Ary hoy Davida taminy: Nanao ahoana izay tany? Masìna ianao, ambarao amiko. Dia hoy izy: Ny olona nandositra tamin’ ny ady, ary be koa ny miampatrampatra sy maty, ary maty koa Saoly sy Jonatana zanany.
5Ary hoy Davida tamin’ ilay zatovo niteny taminy: Ahoana no nahafantaranao fa maty Saoly sy Jonatana zanany.
6Dia nanambara taminy ilay zatovo nanao hoe: Sendra tao an-tendrombohitra Gilboa aho, ary, indro, Saoly nitehina tamin’ ny lefony; ary, indreo, ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly nanenjika azy mafy.
7Dia niherika izy ka nahita ahy; ary niantso ahy izy, ka hoy izaho: Inty aho.
8Ary hoy izy tamiko: Iza moa ianao? Dia hoy izaho taminy: Amalekita aho.
9Ary hoy indray izy tamiko: Masìna ianao, hatony kely aho, ka vonoy, fa marary mivonkina ozatra aho, fa mbola ato anatiko ihany ny aiko.
10Dia nanatona azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy, rehefa resy, ka dia nalaiko ny satro-boninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin’ ny sandriny, ka nentiko etỳ amin’ ny tompoko izany.
11Dia noraisin’ i Davida ny fitafiany ka notriariny: ary dia mba nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy.
12Ary nisaona sy nitomany sy nifady hanina ambara-paharivan’ ny andro izy noho ny amin’ i Saoly sy Jonatana zanany sy ny olon’ i Jehovah ary ny taranak’ Isiraely, satria lavon-tsabatra ireny.
13Ary hoy Davida tamin’ ilay zatovo nanambara taminy: Avy aiza ianao? Ary hoy izy: Zanaky ny vahiny Amalekita aho.
14Dia hoy Davida taminy: Nahoana ianao no tsy natahotra haninjitra ny tananao hamono ny voahosotr’ i Jehovah?
15Dia niantso zatovo anankiray Davida ka nanao hoe: Hatony io, ka vonoy; dia nasiany izy ka maty.
16ary hoy Davida taminy: Aoka ny rànao ho eo amin’ ny lohanao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotr’ i Jehovah.
17Ary Davida nisaona an’ i Saoly sy Jonatana zanany tamin’ izao hira fisaonana izao
18(ary nasainy nampianarina ny taranak’ i Joda ny hira atao hoe Tsipika; indro, voasoratra ao amin’ ny Bokin’ i Jasara izany):
19Ilay voninahitrao, ry Isiraely, no voalefona teo amin’ ny havoananao; Endrey! Lavo ny mahery!
20Aza ambaranareo any Gata izany, Aza torinareo ho fifaliana any an-dalamben’ i Askelona. Fandrao mifaly ny zanakavavin’ ny Filistina. Fandrao miravoravo ny zanakavavin’ ny tsy mifora.
21Hianareo tendrombohitra Gilboa, Aza misy ando aman’ orana intsony eny aminareo, na saha angalana fanatitra asandratra, satria tany no nandotoana ny ampingan’ ny mahery, Dia ny ampingan’ i Saoly, ka tsy nohosorana diloilo.
22Ny tsipìkan’ i Jonatana tsy nihemotra. Raha tsy nahazo ny ran’ ny maty sy ny tavin’ ny mahery; ary ny sabatr’ i Saoly tsy mba niverina foana.
23Saoly sy Jonatana, izay tiana sady mahate-ho-tia fony fahavelony, dia tsy nosarahina na dia tamin’ ny nahafatesany aza; Faingana noho ny voromahery izy ary mahery noho ny liona.
24Ry zanakavavin’ Isiraely, mitomania an’ i Saoly, fa nahafinaritra ny mampitafiany jaky anareo, sady nasiany firava-bolamena ny fitafianareo.
25Endrey! lavo teo amin’ ny ady ny mahery voalefona teo amin’ ny havoananao Jonatana.
26Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra ianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan’ ny vehivavy.
27Endrey! lavo ny mahery, ary levona ny fiadiana!
Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.
본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.
이 장을 언급한 문서
더 보기
최근 읽은 곳
사무엘하 24장
초성으로 성경찾기
구약 39권
신약 27권
← → 키나 본문을 옆으로 밀어도 앞뒤 장으로 넘어갑니다.
글자 크기
바탕색과 글자색 (읽기 화면만)
글꼴
글자 두께
줄 간격
표시
읽어 주기 속도
읽어 주기