아모스 1장 Baiboly Malagasy (1865)
소선지서 · Amos · Baiboly Malagasy (1865) · 15절
📝 이 장의 개요 흐름·핵심 구절·인물 더 보기 →
아모스서의 첫 장이다. 드고아 목자 아모스의 예언이라는 표제로 시작하며, 다메섹·가사·두로·에돔·암몬 등 이스라엘 주변 나라들에 대한 심판 선언이 이어진다.
절 바로가기
1아모스 · Baiboly Malagasy (1865)
1Ny tenin’ i Amosa, izay isan’ ny mpiandry ondry tao Tekoa, dia izay hitany ny amin’ ny Isiraely tamin’ ny andro nanjakan’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda, sy tamin’ ny andro nanjakan’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, roa taona talohan’ ny horohorontany.
2Ary hoy izy: Jehovah mierona ao Ziona ary mampikotroka any Jerosalema; Ny saha fiandrasana ondry dia mitomany ary maina ny tampon’ i Karmela.
3Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria kodia vy no nivelezany an’ i Gileada;
4Fa haterako afo ny tranon’ i Hazaela, ka handevona ny tranoben’ i Beni-hadada izany.
5Hotorotoroiko koa ny hidin’ i Damaskosy, ary hofoanako tsy hisy mponina ny lohasahan’ i Avena, ary Bet-edena tsy hisy hitana tehina fanapahana; Ary ny vahoakan’ i Syria dia ho lasan-ko babo any Kira, hoy Jehovah.
6Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Gaza, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria lasany ho babo avika ny olona hatolony ho any Edoma;
7Fa haterako afo ny mandan’ i Gaza, ka handevona ny tranobeny izany;
8Ary hofoanako Asdoda tsy hisy mponina, ary Askelona tsy hisy hitana tehina fanapahana; Dia haveriko ny tanako hamely an’ i Ekrona, ka ho faty izay sisa amin’ ny Filistina, hoy Jehovah Tompo
9Izao no lazain’ i Jehovah: noho ny fahotana telon’ i Tyro, eny efatra aza, dia tsy havelako izy, satria natolony ho any Edoma ny babo rehetra, ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana;
10Fa haterako afo ny mandan’ i Tyro, ka handevona ny tranobeny izany
11Izao no lazain’ i Jehovah: noho ny fahotana telon’ i Edoma, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ ny sabatra izy, ka nofoanany ny fiantrany, ny fahatezerany dia namiravira mandrakariva, ary ny fahavinirany notehiriziny lalandava;
12Fa haterako afo ao Temana, ka handevona ny tranoben’ i Bozra izany
13Izao no lazain’ i Jehovah: noho ny fahotana telon’ ny taranak’ i Amona, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria notatahany izay bevohoka tao Gileada, hanitarany ny fari-taniny;
14Fa hampirehitra afo ao amin’ ny mandan’ i Raba Aho, ka handevona ny tranobeny izany, sady hisy akora amin’ ny andro iadiana sy rivo-mahery amin’ ny andron’ ny tadio;
15Dia ho lasan-ko babo ny mpanjakany mbamin’ ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.
본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.
이 장을 언급한 문서
더 보기
글자 크기
바탕색과 글자색 (읽기 화면만)
글꼴
글자 두께
줄 간격
표시
읽어 주기 속도
읽어 주기