에베소서 1장 Baiboly Malagasy (1865)
바울서신 · Ephesians · Baiboly Malagasy (1865) · 23절
📝 이 장의 개요 흐름·핵심 구절·인물 더 보기 →
에베소서 1장은 바울의 인사로 시작해, 그리스도 안에서 받은 선택·구속·성령의 인치심을 찬양하고, 독자들이 하나님을 더 깊이 알기를 구하는 기도로 이어지는 장이다.
절 바로가기
1에베소서 · Baiboly Malagasy (1865)
1Paoly, Apostolin’ i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, mamangy ny olona masìna any Efesosy, izay mahatoky ao amin’ i Kristy Jesosy:
2ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
3Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’ i Kristy amin’ ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra, 해설
4araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao, mba ho masìna sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika, 해설
5rehefa notendreny rahateo amin’ ny fitiavana isika mba ho Azy amin’ ny fananganan’ anaka amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ ny fony,
6ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ ny Malala.
7Izy no ananantsika fanavotana amin’ ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ ny fahasoavany,
8izay nataony be ho antsika tamin’ ny fahendrena sy ny fisainana rehetra,
9rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin’ ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain’ ny tenany,
10hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’ i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, dia ho ao aminy;
11ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan’ izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan’ ny fony, 해설
12mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an’ i Kristy rahateo.
13Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin’ ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,― eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ ny Fanahy Masìna araka ny teny fikasana.
14Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin’ ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an’ ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.
15Ary noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an’ i Jesosy Tompo izay hitan’ ny olona masìna rehetra,
16dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin’ ny fivavahako,
17mba homen’ Andriamanitr’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ ny voninahitra, ho anareo ny fanahin’ ny fahendrena sy ny fanambarana amin’ ny fahalalana Azy tsara,
18ary mba hampahiratina ny mason’ ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin’ ny fiantsoany sy izay haren’ ny voninahitry ny lovany eo amin’ ny olona masìna,
19ary ny fihoaran’ ny halehiben’ ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan’ ny herin’ ny faherezany,
20izay nataony tao amin’ i Kristy tamin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin’ ny tànany ankavanana any an-danitra,
21ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin’ izao fiainana izao ihany, fa amin’ ny ho avy koa,
22dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ ny fiangonana,
23izay tenany, dia ny fahafenoan’ izay mameno izao zavatra rehetra izao amin’ ny rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.
본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.
이 장의 구절 해설 문서 3
이 장을 언급한 문서
- 로마서 8장 29-30절 성경 구절
- 에베소서 1장 4-5절 성경 구절
- 신명기 28장 1-2절 성경 구절
- 베드로전서 1장 1-2절 성경 구절
- 디모데후서 1장 9절 성경 구절
- 에베소서 1장 11절 성경 구절
- 빌립보서 2장 9-11절 성경 구절
- 요한계시록 7장 3절 성경 구절
- 시편 139편 15-16절 성경 구절
- 에베소서 5장 31-32절 성경 구절
- 시편 8편 5-8절 성경 구절
- 에베소서 1장 3절 성경 구절
- 지교회 조직·제도
- 예정론 교리·신학
- 아르미니우스주의 교리·신학
- 칼빈주의 교리·신학
- 세대주의 교리·신학
- 예정과 자유의지 논쟁
- 교회 교리·신학
- 도르트 신조 교리·신학
- 에베소 성경
- 아가페 성경
- 기업 성경
- 양자 교리·신학
- 그리스도의 몸 교리·신학
- 이중예정 교리·신학
- 총괄갱신 교리·신학
- 속량 교리·신학
- 성령의 조명 교리·신학
- 타락전 선택설 교리·신학
더 보기
글자 크기
바탕색과 글자색 (읽기 화면만)
글꼴
글자 두께
줄 간격
표시
읽어 주기 속도
읽어 주기