로그인

에스라 1장 Baiboly Malagasy (1865)

역사서 · Ezra · Baiboly Malagasy (1865) · 11절

절 보기

바사 왕 고레스가 원년에 조서를 내려 유다 포로들의 예루살렘 귀환과 성전 건축을 허락하고, 느부갓네살이 빼앗아 간 성전 기명을 세스바살에게 돌려주는 장이다.

절 바로가기

1에스라 · Baiboly Malagasy (1865)
1Ary tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, dia notairin’ i Jehovah ny fanahin’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, mba hanatanteraka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Jeremia, ka dia nandefa teny eran’ ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
2Izao no lazain’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany dia efa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda.
3Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema.
4Ary na iza na iza sisa tratra, dia aoka ny tompon-tany ao amin’ izay ivahiniany hanome azy volafotsy sy volamena sy fanaka ary biby fiompy mbamin’ ny fanati-tsitrapo ho an’ ny tranon’ Andriamanitra, izay any Jerosalema.
5Dia niainga ny lohan’ ny firenen’ i Joda sy Benjamina sy ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra efa namporisihin’ Andriamanitra hiakatra hanao ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema.
6Ary izay rehetra manodidina dia nampahery ny tànan’ ireo tamin’ ny fanaka volafotsy sy volamena sy fanaka hafa sy biby fiompy ary zava-tsoa mbamin’ izay rehetra nateriny tamin’ ny sitrapo.
7Dia navoak’ i Kyrosy mpanjaka ny fanaky ny tranon’ i Jehovah, izay efa nalain’ i Nebokadnezara tany Jerosalema ka efa nataony tao an-tranon’ ireo andriamaniny.
8Ary Mitredata, mpitahiry ny haren’ ny fanjakana, dia nasain’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia; namoaka ireny, ka nisainy sady natolony an’ i Sesbazara, lehiben’ ny firenen’ i Joda.
9Ary izao no isany: Lovia volamena telo-polo, lovia volafotsy arivo, antsy sivy amby roa-polo,
10kapoaka volamena misarona telo-polo, lovia volafotsy manarakaraka folo amby efa-jato, ary lovia hafa koa arivo;
11efa-jato amby dimy arivo no isan’ ny fanaka volamena sy volafotsy rehetra. Ireo rehetra ireo dia nentin’ i Sesbazara niaraka nankany Jerosalema tamin’ ny babo izay niverina avy tany Babylona.

Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.

이 장에 11절
1 / 10장

본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.

이 장을 언급한 문서

더 보기