로그인

열왕기하 1장 Baiboly Malagasy (1865)

역사서 · 2 Kings · Baiboly Malagasy (1865) · 18절

절 보기

열왕기하 1장은 북이스라엘 왕 아하시야가 병들어 에그론의 신 바알세붑에게 묻다가, 엘리야를 통해 죽음을 선고받고 그대로 죽는 이야기이다.

절 바로가기

1열왕기하 · Baiboly Malagasy (1865)
1Ary Moaba niodina tamin’ ny Isiraely, rehefa maty Ahaba.
2Ary Ahazia nianjera avy teo amin’ ny makarakara teo amin’ ny efi-trano ambony tao Samaria ka narary; dia naniraka olona izy ka nanao taminy hoe: Mandehana, anontanio amin’ i Bala-zeboba, andriamanitr’ i Ekrona, na ho sitrana ihany aho amin’ ity aretiko ity, na tsia.
3Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah niteny tamin’ i Elia Tisbira hoe: Miaingà, miakara hihaona amin’ ny iraky ny mpanjakan’ i Samaria, ka manaova aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin’ ny Isiraely va, no mandeha hanontany amin’ i Bala-zeboba, andriamanitr’ i Ekrona, ianareo?
4Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin’ ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa. Ary dia lasa Elia.
5Dia niverina tany amin’ ny mpanjaka ny iraka, ka hoy izy taminy: Nahoana re no niverina ianareo?
6Ary hoy ireo taminy: Nisy lehilahy niakatra nitsena anay ka nanao taminay hoe: Mandehana miverina any amin’ ny mpanjaka izay naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin’ ny Isiraely va, no maniraka hanontany amin’ i Bala-zeboba, andriamanitr’ i Ekrona, ianareo? Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin’ ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa.
7Ary hoy izy taminy: Lehilahy toy inona izay niakatra nitsena anareo izay ka nilaza izany teny izany taminareo?
8Ary ireo namaly azy hoe: Lehilahy mitafy volom-biby izy, sady nisy fehin-kibo hoditra tamin’ ny valahany. Dia hoy izy: Elia Tisbita izay.
9Ary ny mpanjaka naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin’ ny dimam-polo fehiny hankany aminy. Dia niakatra tany aminy izy; ka indro izy nipetraka teo an-tampon’ ny tendrombohitra; ary niteny taminy ralehilahy hoe: Ry lehilahin’ Andriamanitra ô, midìna ianao, antsoin’ ny mpanjaka.
10Fa Elia namaly ka nanao tamin’ ny mpifehy dimam-polo hoe: Raha lehilahin’ Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin’ ny dimam-polo fehiny.
11Dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin’ ny dimam-polo fehiny hankany aminy koa ny mpanjaka. Dia niteny izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahin’ Andriamanitra ô, midìna faingana ianao, antsoin’ ny mpanjaka.
12Fa namaly Elia ka nanao taminy hoe: Raha lehilahin’ Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra ka handevona anao mbamin’ ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afon’ Andriamanitra nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin’ ny dimam-polo fehiny.
13Ary dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray koa indray mbamin’ ny dimam-polo fehiny izy. Dia niakatra ilay mpifehy dimam-polo ka tonga, ary nandohalika teo anatrehan’ i Elia ka nifona taminy nanao hoe: Masìna ianao, ry lehilahin’ Andriamanitra ô, aoka ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko sy ny ain’ ireto mpanomponao dimam-polo ireto.
14Indro, efa nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ireo roa lahy mpifehy dimam-polo ireo mbamin’ ny dimam-polo fehiny avy; fa aoka kosa ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko ankehitriny.
15Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah tamin’ i Elia: Midìna ihany hiaraka aminy ianao; fa aza matahotra azy. Ary dia niainga izy ka nidina niaraka taminy ho any amin’ ny mpanjaka.
16Ary hoy izy tamin’ ny mpanjaka: Izao no lazain’ i Jehovah: Satria naniraka olona hanontany amin’ i Bala-zeboba, andriamanitr’ i Ekrona, ianao, hoatra ny tsy misy Andriamanitra eo amin’ ny Isiraely, dia tsy hidina hiala amin’ ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa.
17Ka dia maty izy araka ny tenin’ i Jehovah izay nolazain’ i Elia. Ary satria tsy nanan-janaka izy, dia Jorama no nanjaka nandimby azy tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Jehorama, zanak’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda.
18Ary ny asan’ i Ahazia sisa izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?

Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.

이 장에 18절
1 / 25장

본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.

이 장을 언급한 문서

더 보기