로그인

예레미야 1장 Baiboly Malagasy (1865)

대선지서 · Jeremiah · Baiboly Malagasy (1865) · 19절

절 보기

예레미야 1장은 예레미야서의 첫 장이다. 책의 표제와 예레미야가 예언자로 부름받는 소명 기사, 살구나무 가지와 끓는 가마 두 환상을 담고 있다.

절 바로가기

1예레미야 · Baiboly Malagasy (1865)
1Ny tenin’ i Jeremia, zanak’ i Hilkia, isan’ ny mpisorona tao Anatota, tamin’ ny tanin’ ny Benjamina,
2izay nanambarana ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny andron’ i Josia, zanak’ i Amona, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny taona fahatelo ambin’ ny folo nanjakany,
3sy tamin’ ny andron’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda koa, ka hatramin’ ny faran’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo nanjakan’ i Zedekia, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, dia hatramin’ ny namaboana an’ i Jerosalema tamin’ ny volana fahadimy.
4Tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
5Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ ny firenena. 해설
6Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza. 해설
7Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’ izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.
8Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
9Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko,
10ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin’ ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.
11Ary tonga tamiko indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Ary hoy izaho: Rantsan-kazo mahatsiaro no hitako.
12Dia hoy Jehovah tamiko: Marina ny ahitanao azy; fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko.
13Ary tonga tamiko fanindroany indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Inona izao hitanao izao; Ary hoy izaho: Vilany mangotraka no hitako, ary mitongilana mianatsimo ny vavany.
14Dia hoy Jehovah tamiko: Hiroatra avy any avaratra ny loza hanjo ny mponina rehetra amin’ ny tany.
15Fa, indro, hantsoiko firenena rehetra amin’ ny fanjakana any avaratra, hoy Jehovah; dia ho tonga izy, ka samy hametraka ny seza fiandrianany eo anoloan’ ny vavahadin’ i Jerosalema avokoa hamelezany ny mandany rehetra manodidina sy ny tanàna rehetra any Joda.
16Ary hifandahatra aminy Aho noho ny haratsiany rehetra, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an’ ny andriamani-kafa ary ny niankohofany teo anatrehan’ ny asan’ ny tànany.
17Fa ianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao.
18Indro, Izaho hanao anao ho tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leon’ ny tany rehetra, na ny mpanjakan’ ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka.
19Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.

Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.

이 장에 19절
1 / 52장

본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.

이 장의 구절 해설 문서 2

이 장을 언급한 문서

더 보기