요나 1장 Baiboly Malagasy (1865)
소선지서 · Jonah · Baiboly Malagasy (1865) · 16절
📝 이 장의 개요 흐름·핵심 구절·인물 더 보기 →
요나 1장은 니느웨로 가라는 여호와의 명령을 피해 다시스로 가는 배에 오른 요나가 폭풍 속에서 바다에 던져지고 큰 물고기에게 삼켜지는 이야기이다.
절 바로가기
1요나 · Baiboly Malagasy (1865)
1Ary tonga tamin’ i Jona, zanak’ i Amitahy, ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2Mitsangàna, mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary miantsoa ny amin’ ny hamelezana azy, fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany.
3Nefa Jona nitsangana handositra ho any Tarsisy mba hiala eo anatrehan’ i Jehovah; ary nidina tany Jopa izy ka nahita sambo hankany Tarsisy, dia nandoa ny karamany ka niondrana taminy hiara-mandeha tamin’ ny tao ho any Tarsisy hiala eo anatrehan’ i Jehovah.
4Fa Jehovah nahatonga rivotra mahery teny ambonin’ ny ranomasina, dia nanonja mafy ny ranomasina, ka dia efa nila ho vaky ny sambo.
5Dia raiki-tahotra ny matilo, ka samy nitaraina tamin’ ny andriamaniny avy sady nariany tany anaty ranomasina ny zavatra tao an-tsambo mba hampahatony ny loza. Fa Jona kosa efa nidina nankao anaty sambo ka nandry renoky ny torimaso.
6Dia nankao aminy ny kapitenin-tsambo ka nanao taminy hoe: Endrey ity ianao renoky ny torimaso foana eto! Mitsangàna, ka antsoy ny Andriamanitrao, fa angamba hihevitra antsika Andriamanitra, ka dia tsy ho faty isika.
7Ary dia samy nanao tamin’ ny namany hoe izy: Avia isika hanao filokana mba hizahantsika izay mahatonga izao loza izao amintsika. Dia nanao filokana izy, ka Jona no azo.
8Dia hoy ireo taminy: Masìna ianao, lazao aminay: Noho ny amin’ iza moa no mahatonga izao loza izao amintsika? Inona no raharaha fanaonao? Ary avy taiza ianao? Aiza no taninao? Ary avy amin’ ny firenen’ iza ianao?
9Dia hoy izy tamin’ ireo: Hebreo aho; ary Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, no ivavahako, dia Izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina.
10Dia raiki-tahotra indrindra ny olona ka nanao taminy hoe: Adray izato ataonao izato! Fa fantany fa nandositra hiala eo anatrehan’ i Jehovah izy, satria efa nambarany taminy izany.
11Dia hoy ireo taminy: Hataonay ahoana ary ianao mba hahatony ny ranomasina aminay? Fa mbola nihananonja ihany ny ranomasina.
12Ary hoy izy tamin’ ireo: Betao aho, ka atsipazo any anatin’ ny ranomasina hahatony ny ranomasina aminareo; fa fantatro fa noho ny amiko no mahatonga izao onja mahery izao aminareo.
13Nefa namaky onja fatratra ny olona mba hamerina ny sambo ho amin’ ny tany maina, fa tsy zakany, satria ny ranomasina mbola nihananonja mafy taminy.
14Dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao izahay, Jehovah ô, aoka tsy ho faty izahay noho ny amin’ ny ain’ ity lehilahy ity ary aza atao ho mpandatsaka rà marina izahay; fa Hianao, Jehovah ô, efa nanao izay sitraky ny fonao.
15Dia nobetain’ izy ireo Jona ka natsipiny tany anatin’ ny ranomasina; ary dia nitsahatra ny fisafoaky ny ranomasina.
16Dia natahotra an’ i Jehovah indrindra ireo olona ireo ka namono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah sady nivoady.
Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.
본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.
이 장을 언급한 문서
더 보기
글자 크기
바탕색과 글자색 (읽기 화면만)
글꼴
글자 두께
줄 간격
표시
읽어 주기 속도
읽어 주기