로그인

요한계시록 1장 Baiboly Malagasy (1865)

예언 · Revelation · Baiboly Malagasy (1865) · 20절

절 보기

요한계시록의 첫 장으로, 책의 머리말과 일곱 교회에 보내는 인사, 그리고 요한이 밧모섬에서 일곱 금 촛대 사이에 선 "인자 같은 이"를 본 첫 환상을 담고 있다.

절 바로가기

1요한계시록 · Baiboly Malagasy (1865)
1Ny Fanambaran’ i Jesosy Kristy, izay nomen’ Andriamanitra Azy, mba hasehony amin’ ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin’ i Jaona mpanompony,
2Izay nanambara ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana an’ i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany.
3Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin’ ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.
4Jaona mamangy ny fiangonana fito any Asia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin’ ny Fanahy fito izay eo anoloan’ ny seza fiandrianany;
5ary avy amin’ i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin’ ny maty ary Lehiben’ ny mpanjaka amin’ ny tany. Ho an’ izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ ny fahotantsika tamin’ ny ràny,
6sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an’ Andriamanitra Ray,― ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena. 해설
7Indro Izy avy amin’ ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin’ ny tany. Eny, Amena.
8Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha. 해설
9Izaho Jaona, rahalahinareo sy namanareo amin’ ny fahoriana ary amin’ ny fanjakana sy ny faharetana ao amin’ i Jesosy, dia tao amin’ ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana an’ i Jesosy.
10Voatsindrin’ ny Fanahy tamin’ ny Andron’ ny Tompo aho ka nahare feo mahery teo ivohoko, toy ny feon’ ny trompetra,
11nanao hoe: Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin’ ny boky, ka ampitondray ho any amin’ ny fiangonana fito, dia ho any Efesosy sy Smyrna sy Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy sy Filadelfia ary Laodikia.
12Dia nitodika aho nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho, dia nahita fanaovan-jiro volamena fito;
13ary teo afovoan’ ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak’ olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin’ ny tratrany.
14Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon’ ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny lelafo;
15ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin’ ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon’ ny rano be.
16Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin’ ny heriny. 해설
17Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan’ ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin’ ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany,
18dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita.
19Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay,
20dia ny zava-miafina ny amin’ ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tanako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin’ ny fiangonana fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana fito.

Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.

이 장에 20절
1 / 22장

본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.

이 장의 구절 해설 문서 3

이 장을 언급한 문서

더 보기