로그인

요한삼서 1장 Baiboly Malagasy (1865)

일반서신 · 3 John · Baiboly Malagasy (1865) · 15절

절 보기

요한삼서 1장은 한 장으로 된 요한삼서 전체로, 장로가 가이오에게 나그네 된 순회 전도자들을 대접한 일을 칭찬하고, 이들을 막는 디오드레베를 꾸짖으며, 데메드리오를 추천하는 짧은 개인 편지이다.

절 바로가기

1요한삼서 · Baiboly Malagasy (1865)
1Izaho loholona mamangy an’ i Galo, ilay malala, izay tiako amin’ ny fahamarinana.
2Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany. 해설
3Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana. 해설
4Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.
5Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin’ inona na amin’ inona ataonao amin’ ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy,
6izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan’ ny fiangonana; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay miendrika hatao noho ny amin’ Andriamanitra ianao;
7fa noho ny Anarana no niangany, ka tsy naka na inona na inona tamin’ ny jentilisa izy.
8Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin’ ny fahamarinana.
9Nanoratra tamin’ ny fiangonana Ihany aho; nefa Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay.
10Koa amin’ izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin’ izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta-handray azy dia raràny sy roahiny hiala amin’ ny fiangonana.
11Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’ Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an’ Andriamanitra.
12Demetrio dia tsara laza amin’ ny olona rehetra sy amin’ ny fahamarinana koa; ary izahay koa manambara izany, ary fantatrao fa marina ny fanambaranay.
13Nanana zavatra maro hosoratana aho, nefa tsy tiako hosoratana aminao amin’ ny ranomainty sy ny penina;
14fa manantena hahita anao faingana ihany aho, dia hiteny mifanatrika isika.
15Ho aminao anie ny fiadanana. Ny sakaiza atỳ manao veloma anao. Veloma amin’ ny sakaiza tsirairay araka ny anarany avy.

Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.

이 장에 15절
1 / 1장

본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.

이 장의 구절 해설 문서 2

이 장을 언급한 문서

더 보기