로그인

욥기 1장 Baiboly Malagasy (1865)

시가서 · Job · Baiboly Malagasy (1865) · 22절

절 보기

욥기의 첫 장으로, 우스 땅의 의인 욥을 소개하고, 사단의 도전에 이어 하루 사이에 재산과 자녀를 모두 잃은 욥이 여호와를 찬송하며 범죄하지 않았다고 전한다.

절 바로가기

1욥기 · Baiboly Malagasy (1865)
1Nisy lehilahy tany amin’ ny tany Oza Joba no anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an’ Andriamanitra ka nifady ny ratsy.
2Ary niteraka fito lahy sy vavy telo izy.
3Ary ny fananany dia ondry aman’ osy fito arivo sy rameva telo arivo sy omby arivo sy borikivavy diman-jato ary mpanompo maro be; ka dia nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra izany lehilahy izany.
4Ary fanaon’ ny zananilahy ny nandeha sy nanao fanasana isaky ny an’ androny avy isan-tranony; dia naniraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy.
5Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia naniraka Joba ka nanamasina ireny ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra dorana araka ny isan’ izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà an’ Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon’ i Joba mandrakariva.
6Ary tamin’ ny indray andro nony avy ireo zanak’ Andriamanitra hiseho teo anatrehan’ i Jehovah dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy. 해설
7Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly an’ i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin’ ny tany aho ka nivezivezy teny.
8Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Efa nandinika an’ i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’ Andriamanitra ka mifady ny ratsy.
9Ary Satana dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe: Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran’ i Joba an’ Andriamanitra?
10Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan’ ny tànany ka manenika ny tany ny omby aman’ ondriny.
11Fa ahinjiro ange ny tananao ka tendreo izay ananany rehetra raha tsy handà Anao eo imasonao aza izy e!
12Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan’ i Jehovah.
13Ary tamin’ ny indray andro dia nihinana sy nisotro divay teo an-tranon’ ny zokiny lahimatoa ny zananilahy sy ny zananivavy;
14ary nisy iraka tonga tany amin’ i Joba ka nanao hoe: Ny omby niasa, ary ny borikivavy nandrasana teo anilany,
15dia namely azy tampoka ny Sabeana ka namabo azy, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
16Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon’ Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman’ osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
17Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao telo toko, dia niroatany ny rameva ka nobaboiny, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
18Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon’ ny zokiny lahimatoa;
19ary, indro, nisy rivotra mahery avy tany an-efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin’ ny zatovo ny trano, ka maty izy rehetra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
20Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin’ ny tany ka niankohoka 해설
21sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon’ ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran’ i Jehovah 해설
22Tamin’ izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an’ Andriamanitra.

Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.

이 장에 22절
1 / 42장

본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.

이 장의 구절 해설 문서 3

이 장을 언급한 문서

더 보기