잠언 1장 Baiboly Malagasy (1865)
시가서 · Proverbs · Baiboly Malagasy (1865) · 33절
📝 이 장의 개요 흐름·핵심 구절·인물 더 보기 →
잠언 1장은 잠언의 첫 장으로, 책의 표제와 목적을 밝히고 "여호와를 경외하는 것이 지식의 근본"이라는 주제를 제시한다. 이어 악한 무리의 꾐을 경계하는 아버지의 훈계와 길거리에서 외치는 지혜의 경고가 나온다.
절 바로가기
1잠언 · Baiboly Malagasy (1865)
1Ny Ohabolan’ i Solomona, zanak’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely:
2Hahalalana fahendrena sy fananarana, Ary hahafantarana ny tenin’ ny fahalalana;
3Hahazoana fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana;
4Hanomezam-pahendrena ho an’ ny kely saina, Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an’ ny zatovo.
5Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara;
6Hahafantarana ohabolana sy fanoharana, Ary ny tenin’ ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony.
7Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin’ ny mpanao ratsy. 해설
8Anaka, mihainoa ny ana-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao;
9Fa fehiloha tsara tarehy amin’ ny lohanao izany, Ary rado amin’ ny vozonao.
10Anaka, raha taomin’ ny mpanota ianao, Aza manaiky.
11Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny;
12Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin’ ny fiainan-tsi-hita Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka;
13Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika;
14Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra:
15Anaka, aza miara-dalana aminy ianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin’ ny alehany;
16Fa ny tongony mihazakazaka ho amin’ ny ratsy Sady faingana handatsa-drà.
17Fa velarim-poana ny fandrika, Raha hitan’ ny vorona.
18Fa ireny dia manotrika handatsaka ny ran’ ny tenany ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy.
19Toy izany no iafaran’ izay rehetra fatra-pila harena; Fa hipaoka ny ain’ izay fatra-pila azy izany.
20Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy;
21Mitory ao amin’ izay fivorian’ ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan’ ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe:
22Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian’ ny mpaniratsira amin’ ny faniratsirana, Ary hankahalan’ ny adala ny fahalalana?
23Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko.
24Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina;
25Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo:
26Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo.
27Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana,
28Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho.
29Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an’ i Jehovah,
30Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra,
31Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny.
32Fa ny fihemoran’ ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan’ ny adala handringana azy.
33Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.
Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.
본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.
이 장의 구절 해설 문서 1
이 장을 언급한 문서
더 보기
최근 읽은 곳
잠언 31장
초성으로 성경찾기
구약 39권
신약 27권
← → 키나 본문을 옆으로 밀어도 앞뒤 장으로 넘어갑니다.
글자 크기
바탕색과 글자색 (읽기 화면만)
글꼴
글자 두께
줄 간격
표시
읽어 주기 속도
읽어 주기