로그인

학개 1장 Baiboly Malagasy (1865)

소선지서 · Haggai · Baiboly Malagasy (1865) · 15절

절 보기

학개 1장은 포로 귀환 뒤 성전 재건을 미루던 유다 백성에게 학개 선지자가 공사를 다시 시작하라고 전한 말씀과, 지도자와 백성이 이에 순종해 성전 일을 시작한 일을 기록한 장이다.

절 바로가기

1학개 · Baiboly Malagasy (1865)
1Tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahenina tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa mpanjaka no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah nentin’ i Hagay mpaminany tamin’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, governora tany Joda, sy tamin’ i Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe, nanao hoe:
2Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ity firenena ity nanao hoe: Tsy mbola tonga ny andro tokony hihaviana hanaovana ny tranon’ i Jehovah.
3Dia tonga ny tenin’ i Jehovah nentin’ i Hagay mpaminany nanao hoe:
4Moa andro tokony hitoeran’ ny tenanareo ao amin’ ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa rava ity trano ity?
5Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hevero ny lalanareo.
6Efa namafy be ianareo, nefa kely no taomina: mihinana ianareo, nefa tsy voky; misotro ianareo, nefa tsy afa-po; mitafy ianareo, nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka.
7Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hevero ny lalanareo.
8Miakara any an-tendrombohitra, ka makà hazo, ary ataovy ny trano, dia hankasitrahako izany, sady hankalazaina Aho, hoy Jehovah.
9Nanampo be ianareo, kanjo indro, kely monja; ary nony notaominareo, dia notsofiko. Nahoana? hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. Satria efa rava ny tranoko, nefa ianareo samy mihazakazaka hanao ny tranonareo avy.
10Ary noho izany dia ny aminareo no nitsaharan’ ny lanitra tsy hampilatsaka ando sy nitsaharan’ ny tany tsy hahavokatra.
11Ary niantso ny fahamainana Aho hamely ny tany sy ny tendrombohitra sy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy izay vokatry ny tany ary ny olona sy ny biby fiompy mbamin’ izay rehetra efa nisasaran’ ny tanana.
12Ary Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe, mbamin’ ny sisa rehetra amin’ ny vahoaka, dia nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamaniny sy ny tenin’ i Hagay mpaminany, araka ny nanirahan’ i Jehovah Andriamaniny azy, ary natahotra teo anatrehan’ i Jehovah ny olona.
13Ary nambaran’ i Hagay, irak’ i Jehovah, ny teny nampitondrain’ i Jehovah ho amin’ ny olona nanao hoe: Izaho no momba anareo, hoy Jehovah.
14Dia notairin’ i Jehovah ny fanahin’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, governora any Joda, sy ny fanahin’ i Josoa, zanak’ i Jozadaka mpisoronabe, sy ny fanahin’ ny sisa rehetra amin’ ny vahoaka; ary dia avy izy ka nandrafitra ny tranon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamaniny,
15tamin’ ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ ny volana fahenina tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa.

Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.

이 장에 15절
1 / 2장

본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.

이 장을 언급한 문서

더 보기