골로새서 1장 Baiboly Malagasy (1865)
바울서신 · Colossians · Baiboly Malagasy (1865) · 29절
📝 이 장의 개요 흐름·핵심 구절·인물 더 보기 →
골로새서의 첫 장으로, 바울이 골로새 성도들에게 인사와 감사, 기도를 전한다. 그리스도를 보이지 않는 하나님의 형상이자 만물의 창조자, 교회의 머리로 높이는 찬가(15-20절)를 담고 있다.
절 바로가기
1골로새서 · Baiboly Malagasy (1865)
1Paoly, Apostolin’ i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, ary Timoty rahalahy,
2mamangy ny olona masìna any Kolosia, dia ny rahalahy mahatoky ao amin’ i Kristy: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika.
3Misaotra an’ Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, izahay amin’ ny fangatahanay mandrakariva ho anareo,
4rehefa renay ny finoanareo an’ i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masìna rehetra,
5noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin’ ny tenin’ ny fahamarinan’ ny filazantsara,
6izay efa mby eo aminareo, tahaka ny eny amin’ izao tontolo izao koa, sady vokatra sy mitombo tahaka ny eo aminareo koa hatramin’ ny andro nandraisanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan’ Andriamanitra araka ny marina;
7tahaka ny efa renareo tamin’ i Epafra, mpanompo namanay sady malala, izay mpanompon’ i Kristy mahatoky ho anay,
8sady efa nanambara taminay koa ny fitiavanareo ao amin’ ny Fanahy.
9Ary noho izany izahay koa hatramin’ ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin’ ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ ny Fanahy,
10mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ ny fahalalana tsara an’ Andriamanitra,
11ary ampahatanjahina amin’ ny hery rehetra araka ny herin’ ny voninahiny ho amin’ ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin’ ny hafaliana,
12ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ ny lovan’ ny olona masìna eo amin’ ny mazava,
13sady nahafaka antsika tamin’ ny fahefan’ ny maizina ka namindra antsika ho amin’ ny fanjakan’ ny Zanany malalany,
14Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.
16fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany;
17ary Izy no talohan’ ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan’ ny zavatra rehetra.
18Ary Izy no Lohan’ ny tena, dia ny fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin’ ny maty, mba ho Lohany amin’ ny zavatra rehetra Izy.
19Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran’ ny fahafenoana rehetra,
20sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin’ ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana ― eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny etỳ ambonin’ ny tany, na ny any an-danitra.
21Ary ianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin’ ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitriny
22tao amin’ ny tenan’ ny nofony, tamin’ ny fahafatesana, mba hatolony ho masìna sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany,
23raha maharitra amin’ ny finoana ianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin’ ny fanantenana avy amin’ ny filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin’ ny lanitra rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo.
24Ankehitriny dia mifaly amin’ ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin’ ny nofoko izay tsy vita tamin’ ny fahorian’ i Kristy ho an’ ny tenany, dia ny fiangonana,
25izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fitondran’ Andriamanitra nomena ahy ho anareo, hahatanteraka ny fitoriana ny tenin’ Andriamanitra,
26dia ny zava-miafina, ilay voàfina hatramin’ ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin’ ny olony masìna,
27izay efa tian’ Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren’ ny voninahitr’ ity zava-niafina ity any amin’ ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra;
28Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin’ ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin’ i Kristy izy rehetra.
29Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan’ ny herin’ ilay miasa mahery ato anatiko.
Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.
본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.
이 장의 구절 해설 문서 1
이 장을 언급한 문서
- 고린도전서 13장 13절 성경 구절
- 요한복음 1장 1절 성경 구절
- 마태복음 24장 14절 성경 구절
- 창세기 1장 1절 성경 구절
- 창세기 1장 26-27절 성경 구절
- 유다서 1장 24절 성경 구절
- 골로새서 3장 17절 성경 구절
- 고린도전서 15장 28절 성경 구절
- 데살로니가전서 1장 3절 성경 구절
- 골로새서 3장 16절 성경 구절
- 골로새서 4장 2절 성경 구절
- 히브리서 1장 10-12절 성경 구절
- 히브리서 1장 1-3절 성경 구절
- 골로새서 1장 15-17절 성경 구절
- 고린도후서 5장 18-20절 성경 구절
- 골로새서 3장 21절 성경 구절
- 로마서 11장 33-36절 성경 구절
- 마가복음 13장 10절 성경 구절
- 시편 33편 6절 성경 구절
- 요한복음 8장 58절 성경 구절
- 고린도전서 8장 4-6절 성경 구절
- 빌레몬서 1장 6절 성경 구절
- 아리우스주의 이단·사이비
- 창조 교리·신학
- 골로새서 성경
- 하나님의 형상 교리·신학
- 에바브라 인물
- 장자권 성경
- 천사 성경
- 골로새 성경
더 보기
글자 크기
바탕색과 글자색 (읽기 화면만)
글꼴
글자 두께
줄 간격
표시
읽어 주기 속도
읽어 주기