레위기 1장 Baiboly Malagasy (1865)
모세오경 · Leviticus · Baiboly Malagasy (1865) · 17절
📝 이 장의 개요 흐름·핵심 구절·인물 더 보기 →
레위기의 첫 장으로, 여호와께서 회막에서 모세에게 주신 번제 규례를 담았다. 소, 양이나 염소, 새를 제물로 드리는 방법을 차례로 정한다.
절 바로가기
1레위기 · Baiboly Malagasy (1865)
1Ary Jehovah niantso an’ i Mosesy ka niteny taminy tao amin’ ny trano-lay fihaonana hoe:
2Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy aminareo manatitra biby fiompy ho fanatitra ho an’ i Jehovah, dia omby na ondry na osy no haterinareo ho fanatitrareo.
3Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan’ i Jehovah izy.
4Ary hametraka ny tànany eo amin’ ny lohan’ ny fanatitra dorana izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy.
5Dia hamono ny zanak’ omby eo anatrehan’ i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, dia hanatitra ny rà ka hanopy azy manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara, izay eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana;
6ary hohodirany ny fanatitra dorana, dia horasainy tsara.
7Ary ireo zanak’ i Arona mpisorona dia hanisy afo eo ambonin’ ny alitara ka handahatra kitay eo amin’ ny afo.
8Ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, dia handahatra ny voarasa mbamin’ ny lohany sy ny saborany eo ambonin’ ny kitay eo amin’ ny afo izay eo ambonin’ ny alitara;
9fa ny taovany, sy ny tongony kosa hosasany amin’ ny rano; dia hodoran’ ny mpisorona ho fofona izy rehetra eo ambonin’ ny alitara; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
10Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema koa no hateriny.
11Dia hamono azy eo avaratry ny alitara eo anatrehan’ i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, dia hanopy ny rà manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara.
12Dia horasainy tsara izy mbamin’ ny lohany sy ny saborany; ary halahatry ny mpisorona eo ambonin’ ny kitay izy eo amin’ ny afo izay eo ambonin’ ny alitara;
13fa ny taovany sy ny tongony kosa hosasany amin’ ny rano; dia ho entin’ ny mpisorona izy rehetra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara; ho fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
14Ary raha vorona no ateriny ho an’ i Jehovah ho fanatitra dorana, dia domohina na zana-boromailala no hateriny ho fanatiny.
15Ary haterin’ ny mpisorona ho eo amin’ ny alitara izany, ka hotapahiny amin’ ny hoho ny lohany, dia hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara, ary hofiazany eo amin’ ny rindrin’ ny alitara ny ràny;
16ary hesoriny ny takorobabony sy ny ao anatiny, ka hariany eo atsinanan’ ny alitara, dia eo amin’ ny fitoeran-davenona;
17ary hosamahany amin’ ny elany no fameraka azy, fa tsy hohenteriny; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara, ambonin’ ny kitay izay eo amin’ ny afo; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.
본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.
이 장을 언급한 문서
더 보기
최근 읽은 곳
레위기 27장
초성으로 성경찾기
구약 39권
신약 27권
← → 키나 본문을 옆으로 밀어도 앞뒤 장으로 넘어갑니다.
글자 크기
바탕색과 글자색 (읽기 화면만)
글꼴
글자 두께
줄 간격
표시
읽어 주기 속도
읽어 주기