로그인

로마서 1장 Baiboly Malagasy (1865)

바울서신 · Romans · Baiboly Malagasy (1865) · 32절

절 보기

로마서 1장은 바울의 인사와 로마 방문 소원, 편지의 주제인 "복음에 나타난 하나님의 의"를 밝히고, 하나님을 떠난 인류의 죄를 고발하기 시작하는 장이다.

절 바로가기

1로마서 · Baiboly Malagasy (1865)
1Paoly, mpanompon’ i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin’ ny filazantsaran’ Andriamanitra,
2izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin’ ny Soratra Masìna,
3ny amin’ ny Zanany, Izay nateraka avy tamin’ ny taranak’ i Davida araka ny nofo,
4ary naseho tamin-kery ho Zanak’ Andriamanitra araka ny fahamasinana tamin’ ny fitsanganany tamin’ ny maty, ― dia Jesosy Kristy Tompontsika,
5Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah’ Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin’ ny jentilisa rehetra;
6ary ianareo koa, izay isan’ ireny, dia voantso ho an’ i Jesosy Kristy, ―
7ho an’ izay rehetra any Roma, malalan’ Andriamanitra sady voantso ho masìna; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
8Voalohany, misaotra an’ Andriamanitro amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria efa re eran’ izao tontolo izao ny lazan’ ny finoanareo.
9Fa Andriamanitra, Izay tompoin’ ny fanahiko amin’ ny filazantsaran’ ny Zanany, no vavolombeloko fa tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho,
10dia mangataka fandrao mba hisy hahafahako amin’ izao ho tonga aminareo, raha sitrapon’ Andriamanitra.
11Fa maniry hahita anareo aho hanomezako anareo fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaharezina ianareo,
12izany dia ny mba hiarahako hamporisihina aminareo amin’ ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy.
13Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankatỳ aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra atỳ aminareo koa, toy ny any amin’ ny jentilisa sasany.
14Ananan’ ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho;
15koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho.
16Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’ Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ ny Jiosy aloha, dia vao amin’ ny jentilisa koa. 해설
17Fa amin’ izany no anehoana fahamarinana avy amin’ Andriamanitra avy amin’ ny finoana sy ho amin’ ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin’ ny finoana no ho velona.
18Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan’ ny olona izay misakana ny fahamarinana amin’ ny fanaovan-dratsy, 해설
19satria izay fantatra ny amin’ Andriamanitra dia miseho ao am-pon’ ireny, fa nasehon’ Andriamanitra taminy.
20Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’ Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo;
21fa na dia nahalala an’ Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an’ Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin’ ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto.
22Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala,
23koa ny voninahitr’ Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lò sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka.
24Ary izany no nanoloran’ Andriamanitra azy tamin’ ny filan’ ny fony ho amin’ ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin’ ny tenany avy;
25ary ny fahamarinan’ Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena.
26Izany no nanoloran’ Andriamanitra azy ho amin’ ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’ izay tsy fanaony; 해설
27ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin’ ny vehivavy izy ka maimay tamin’ ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
28Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an’ Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran’ Andriamanitra azy ho amin’ ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao,
29ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo,― feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otri-po,―
30mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan’ Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny,
31tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra;
32dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen’ Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.

Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.

이 장에 32절
1 / 16장

본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.

이 장의 구절 해설 문서 3

이 장을 언급한 문서

더 보기