로그인

역대하 1장 Baiboly Malagasy (1865)

역사서 · 2 Chronicles · Baiboly Malagasy (1865) · 18절

절 보기

역대하 1장은 솔로몬이 기브온 회막 앞에서 일천 번제를 드리고, 꿈에 나타난 하나님께 백성을 재판할 지혜와 지식을 구해 부와 영광까지 약속받는 장이다. 이어 그의 병거와 부를 소개한다.

절 바로가기

1역대하 · Baiboly Malagasy (1865)
1Ary Solomona, zanak’ i Davida, dia nitombo hery tamin’ ny fanjakany, ary Jehovah Andriamaniny nomba azy ka nanandratra azy indrindra.
2Ary Solomona nandidy Isiraely rehetra, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpitsara ary loham-pirenena rehetra tamin’ ny Isiraely, dia lohan’ ny fianakaviana,
3ka dia niara-niakatra ho any amin’ ny fitoerana avo tao Gibeona Solomona sy fiangonana rehetra; fa tao trano-lay fihaonana izay an’ Andriamanitra, ilay nataon’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, tany an-efitra.
4Fa fiaran’ Andriamanitra efa nampakarin’ i Davida avy ta Kiriata-jearima ho ao amin’ izay efa namboariny ho azy; fa efa nanorina lay ho azy tany Jerosalema izy.
5Ary alitara varahina izay nataon’ i Bezalila, zanak’ i Ory zanak’ i Hora, dia teo anoloan’ ny tabernakelin’ i Jehovah; ary Solomona sy fiangonana nitady Azy tao.
6Ary Solomona nanatitra fanatitra teo amin’ ny alitara varahina teo anatrehan’ i Jehovah, izay momba ny trano-lay fihaonana; fanatitra dorana arivo no nateriny teo.
7Tamin’ ny alin’ iny no nisehoan’ Andriamanitra tamin’ i Solomona, ka hoy Izy taminy: Angataho izay tianao homeko anao.
8Dia hoy Solomona tamin’ Andriamanitra: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin’ i Davida raiko ary nampanjaka ahy handimby azy.
9Koa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitra ô, aoka ho tanteraka teninao tamin’ i Davida raiko; fa Hianao efa nampanjaka ahy tamin’ ny vahoaka maro be tahaka ny vovo-tany.
10Koa omeo fahendrena sy fahalalana aho hitarihako ireto vahoaka ireto mivoaka sy miditra; fa iza no hahay mitsara izao olonao betsaka izao?
11Dia hoy Andriamanitra tamin’ i Solomona: Satria tao am-ponao izany ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ain’ ny fahavalonao, ary tsy nangataka ho ela velona aza, fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao,
12dia omena anao ny fahendrena sy fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa ianao, mihoatra noho izay nananan’ ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aorianao.
13Ary tonga tany Jerosalema Solomona avy teo amin’ ny fitoerana avo tao Gibeona, dia teo anoloan’ ny trano-lay fihaonana; ary nanjaka tamin’ ny Isiraely izy.
14Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ka nanana kalesy efa-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay nataony tany amin’ ireny tanàna fitoeran’ ny kalesy ary tao amin’ ny mpanjaka tany Jerosalema.
15Ary nataon’ ny mpanjaka ho tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka.
16Avy tany Egypta no nahazoan’ i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin’ ny mpandranton’ ny mpanjaka dia naka andiany iray araka izay vidiny voatendry.
17Ary ny vidin’ ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany koa no nitondrany ho an’ ny mpanjakan’ ny Hetita sy ny mpanjakan’ ny Syriana.
18Ary Solomona nilaza fa hanao trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah sy lapa ho an’ ny tenany.

Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.

이 장에 18절
1 / 36장

본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.

이 장을 언급한 문서

더 보기