마태복음 1장 Baiboly Malagasy (1865)
복음서 · Matthew · Baiboly Malagasy (1865) · 25절
📝 이 장의 개요 흐름·핵심 구절·인물 더 보기 →
마태복음의 첫 장으로, 아브라함부터 예수까지 세 시기 열네 대씩의 족보와 마리아가 성령으로 잉태해 예수가 태어나기까지의 과정을 요셉 중심으로 기록한다.
절 바로가기
1마태복음 · Baiboly Malagasy (1865)
1Ny filazana ny razan’ i Jesosy Kristy, zanak’ i Davida zanak’ i Abrahama.
2Abrahama niteraka an’ i Isaka; ary Isaka niteraka an’ i Jakoba; ary Jakoba niteraka an’ i Joda mirahalahy avy;
3ary Joda niteraka an’ i Fareza sy Zara tamin’ i Tamara; ary Fareza niteraka an’ i Hezrona; ary Hezrona niteraka an-dRama;
4ary Rama niteraka an’ i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an’ i Nasona; ary Nasona niteraka an’ i Salmona;
5ary Salmona niteraka an’ i Boaza tamin-dRahaba; ary Boaza niteraka an’ i Obeda tamin-dRota; ary Obeda niteraka an’ i Jese;
6ary Jese niteraka an’ i Davida mpanjaka. Ary Davida niteraka an’ i Solomona tamin’ ny vadin’ i Oria;
7ary Solomona niteraka an-dRehoboama; ary Rehoboama niteraka an’ i Abia; ary Abia niteraka an’ i Asa;
8ary Asa niteraka an’ i Josafata; ary Josafata niteraka an’ i Jorama; ary Jorama niteraka an’ i Ozia;
9ary Ozia niteraka an’ i Jotama; ary Jotama niteraka an’ i Ahaza; ary Ahaza niteraka an’ i Hezekia;
10ary Hezekia niteraka an’ i Manase; ary Manase niteraka an’ i Amona; ary Amona niteraka an’ i Josia;
11ary Josia niteraka an’ i Jekonia mirahalahy avy, tamin’ ny nifindrana tany Babylona.
12Ary taorian’ ny nifindrana tany Babylona Jekonia dia niteraka an’ i Sealtiela; ary Sealtiela niteraka an’ i Zerobabela;
13ary Zerobabela niteraka an’ i Abihoda; ary Abihoda niteraka an’ i Eliakima; ary Eliakima niteraka an’ i Azora;
14ary Azora niteraka an’ i Zadoka; ary Zadoka niteraka an’ i Akima; ary Akima niteraka an’ i Elihoda;
15ary Elihoda niteraka an’ i Eleazara; ary Eleazara niteraka an’ i Matana; ary Matana niteraka an i Jakoba;
16ary Jakoba niteraka an’ i Josefa, vadin’ i Maria; ary Maria niteraka an’ i Jesosy, Izay atao hoe Kristy.
17Ary ny taranaka rehetra hatramin’ i Abrahama ka hatramin’ i Davida dia taranaka efatra ambin’ ny folo; ary hatramin’ i Davida ka hatramin’ ny nifindrana tany Babylona dia taranaka efatra ambin’ ny folo; ary hatramin’ ny nifindrana tany Babylona ka hatramin’ i Kristy dia taranaka efatra ambin’ ny folo.
18Ary ny nahaterahan’ i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin’ i Jesosy, ho fofombadin’ i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ ny Fanahy Masìna izy.
19Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.
20Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin’ ny Tompo niseho taminy tamin’ ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak’ i Davida, aza matahotra hampakatra an’ i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ ny Fanahy Masìna,
21ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ ny fahotany.
22Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain’ ny Tompo ny mpaminany hoe: 해설
23Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon’ ny olona hoe Imanoela, izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra. 해설
24Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin’ ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian’ ny anjelin’ ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny.
25Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.
Baiboly Malagasy (1865)
절을 누르면 복사·공유·형광펜·메모를 쓸 수 있습니다. 점선 낱말은 교회백과 문서로 이어집니다.
본문은 Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) 형광펜·메모·읽은 표시는 판과 상관없이 같은 장에 함께 남습니다. 점선이 그어진 낱말은 교회백과에 문서가 있는 인물·지명·용어입니다(한 화면에 한 번씩만 표시). 형광펜·메모·읽은 표시는 이 브라우저에만 저장되며 내 표시에서 모아 볼 수 있습니다.
이 장의 구절 해설 문서 2
이 장을 언급한 문서
- 이사야 7장 14절 성경 구절
- 마태복음 18장 20절 성경 구절
- 마태복음 28장 19-20절 성경 구절
- 누가복음 2장 10-11절 성경 구절
- 마태복음 28장 18-20절 성경 구절
- 이사야 8장 8-10절 성경 구절
- 누가복음 1장 26-35절 성경 구절
- 룻기 4장 4-10절 성경 구절
- 사무엘하 성경
- 마리아 인물
- 마태복음 성경
- 다윗 인물
- 이사야 선지자 인물
- 느부갓네살 인물
- 나사렛 요셉 인물
- 예수의 탄생 성경
- 사사 시대 성경
- 수태고지 성경
- 임마누엘 성경
- 암몬 성경
- 하나님의 이름 성경
- 다윗 언약 성경
- 메시아 예언 성경
- 아하스 인물
- 여호야김 인물
- 동정녀 탄생 교리·신학
- 여호와의 사자 성경
- 아달랴 인물
- 아마샤 인물
- 엘리멜렉 인물
더 보기
최근 읽은 곳
마태복음 28장
초성으로 성경찾기
구약 39권
신약 27권
← → 키나 본문을 옆으로 밀어도 앞뒤 장으로 넘어갑니다.
글자 크기
바탕색과 글자색 (읽기 화면만)
글꼴
글자 두께
줄 간격
표시
읽어 주기 속도
읽어 주기